Rajeriarison
Filohan'ny Filankevi-pitantananaPatricia Rajeriarison dia mpanolotsaina amin'ny fizahantany sy ny fitantanana tetikasa. Manana traikefa 25 taona izy amin'ny sehatry ny fizahantany sy fampandrosoana eto Madagasikara. Nahazo diplaoma tamin'ny serasera sy sosiolojia avy amin'ny oniversite « Science Po » izy tany Paris. Malaza ihany koa izy eo amin'ny tontolon'ny baolina kitra, 10 taona niainany amin'ity sehatra ity eto Madagasikara sy Afrika.
Honoré dia mpanolotsaina miasatena momban’ny lalàna, fitsarana, lalàna ho an'ny daholobe, lalàna hoann’ny tsy miankina etc. Nanohy ny fianarany tao amin'ny Oniversiten'i Jean Molin Lion izy mba hahazoana ny diplaoma Doctorat amin'ny lalàna momba ny asa. Filohan’ny Komitin'ny fanavaozana ny lalànana momba ny asa ao amin'ny Ministeran'ny Fitsarana i Honoré nanomboka tamin'ny taona 2012. Mpikambana ao amin'ny Komity Mpanolotsaina ny fanaganana ao amin'ny masoivohon-toerana ny fanangana ao amin'ny Ministeran'ny Mponina izy. I Honoré dia manana fahalalàna tsara momba ny tontolo iainana. Mpampianatra momba ny lalàna mifehy ny tontolo iainana ao amin'ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Oniversite Katolika eto Madagasikara izy.
Ramparany
Mpitam-bolaTiana Ramparany Ramanarivosoa dia mpanaramaso eo ani’von’ny fitatanam-bola ary mpandrindra nasionaly ara-bola ao anatin'ny Ministeran'ny Fitantanam-bolan'i Madagasikara. Manana traikefa eo amin'ny sehatry ny toekarena, ara-bola sy fitatanam-bola izy. Izy dia mahafantatra ny zava-misy iainan'ny vahoaka malagasy amin'ny alàlan'ireo iraka samihafa nataony indrindra ny any ambanivohitra ary mikasa ny handray anjara miaraka amin’ny be sy ny maro ny hampiroborobo ny fidiran'ny mponina marefo amin'ny sehatra ara-bola.
Ratsirarson
MpandridraJoelisoa RATSIRARSON dia Profesora momban’ny ala sy ny tontolo iainana ao amin'ny sekoly ambaratonga ambony momba ny siansa Agronomika (ESSA) ao amin'ny oniversite Antananarivo. Mpikaroka ao amin'ny departemanta antropolojia ao amin'ny Yale University (Etazonia) izy. Izy dia filoha lefitry ny oniversite teo aloha ao amin'ny oniversite Antananarivo ary filohan'ny filakevim-pitantananan’ny ESSA sy ny birao nasionaly ho an'ny tontolo iainana (ONE). Teo aloha izy dia mpikaroka ara-tsiansa niaraka tamin’ny departemantan'ny Zoologie ao amin'ny University of Cambridge (Angletera) ary koa tao amin’ny ny Sekolin'ny Ala sy ny Fitaovana tontolo iainana ao amin'ny Yale University.
Ramiandrison
MpandridraJimmy Ramiandrison dia manana marim-pahaizana « Master of Administration of Business » avy amin'ny « Goergia State University / USA » ary nahazo mari-pahaizana siantifika amin'ny fitatana-mbola avy amin'ny INSCAE Antananarivo. Izy dia efa filohan’ny Filakevim-pitatana ny FIARO. Efa nandray ny toerana maha tale jeneraly ko aizy tao ami’ny assurance ARO. Manana traikefa matanjaka amin'ny indostrian'ny angovo sy ny tontolo iainana izy. Farany, i Jimmy Ramiandrison dia manana fahaiza-manao amin'ny fifampiraharahana, fampandrosoana maharitra, andraikitra sosialy amin'ny orinasa, famolavolana asa ary fitantanana hetsika.
Tody
MpandrintraTody Flavien dia mpanolotsaina amin'ny fitantanana. Izy dia manana diplaoma ambony tamin'ny Institut Supérieur de Gestion tany Rennes, France. Amin'izao fotoana izao dia mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Banky sy Mpanaraso ara-bola ao amin'ny Banky Foibe eto Madagasikara izy. I Tody Flavien dia efa Tale Jeneralin'ny INSCAE teo aloha ary nampianatra tao amin'ny oniversite ny Toamasina.
Rasoavahiny
MpandridraInjeniera momba ny ala, Laurette Hermine Rasoavahiny dia manam-pahaizana momba ny biodiversity ary niasa tao amin'ny Ministeran'ny tontolo iainana. Izy no nanomboka sy namolavola ny famoronana ny rafitra faritra arovana teto Madagasikara (SAPM), ary namolavola ny fehezan-dalàna momba ny faritra arovana (COAP) eto Madagasikara.
Rabesahala
MpandrindraIzy dia nivoaka avy amin'ny oniversite amerikanina sy frantsay malaza, i Henri Rabesahala dia manam-pahaizana momba ny fitantanana. Izy dia efa minisitry ny varotra tao amin'ny governemanta nandritra ny repoblika faha 4. I Henri Rabesahala dia anisany teo amin'ny famolavolana ny «Madagascar Action Plan». Amin'izao fotoana izao i Henri Rabesahala dia mitondra ny fitantanana ao amin'ny tetikasa Ambatovy rehefa avy nahavita ny andraikitra ambony niaraka tamin'ny ONG PSI Madagascar nandritra ny 4 taona.
Fitzgerald
MpandrindraAnkehitriny i Winifred Fitzgerald dia loholo’ny mpanolotsaina ny Fifandraisana ivelany, ao amin'ny sampana fampandrosoana maharitra ao Ambatovy. Izy no solontena nasionaly ho an'ny Better U Foundation ary Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Harvard Center for Studies and Development and Development. Niasa ho an'ny Catholic Relief Services tany Egypt sy Kamerona (birao afovoany Afrika) ary koa ho an'ny fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana (UNDP) any Benin. Mpandrira ato amin'ny fondation Tany Meva izy, izy koa dia mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny Chamber of Commerce Amerikana (Amcham) sy ny Chamber of Commerce and Cooperation (Cancham).
Izahay no ivon'ny Tany Meva
Equipe
Equipe
Equipe