Fitrandrahana landibe amin’ny ala honko

1 March 2022

Fampivelarana ny seha-pihariana landibe miaina ao anaty ala honko ao Boanamary : isan’ireo mpanatanteraka tetik’asa vatsian’ny Tany Meva vola amin’ny alalan’ny famatsiam-bolan’ny Critical Ecosystem Parthnership Fund (CEPF) ny fikambanana Femmes Entrepreneurs Environnement Mahajanga (FEEM), izay miompana amin’ny fiarovana ny ala honko izay itoeran’ny landibe, ary nisy ny fanitarana ny tetik’asa dia ny fananganana kôperativa mitrandraka ireo landy ireo. Nahazo fampitaovana fikirakirana ny tranon-dandy ireto farany ary nisitraka fiofanana momba ny fandokoana, famahavahana sy fanenomana landy. ” Rehefa afaka manamboatra lamba landy izahay, dia afaka mivarotra ihany koa ho fidiram-bola”, hoy Zaina Filomène, mpahazo tombontsoa iray.