Fameranana amin’ny laoniny nny ala honko ao Bombetoka

10 February 2021

Honko “avincenia marina” an’aliny no nambolena tao amin’ny Baie de Bombetoka. Ny tahan’ny fanjariana dia mahatratra 90%. Faly ny mponina anatiny satria nahatsapa ny tombotsoan’ny fanarenana sy ny fiarovana ny ala honko toy ny fiverenan’ny harena an-dranomasina tahaka ny drakaka. Ny fanangonana ny zana-dandy ao amin’io karazana Honko io sy ny famadihana azy ho lasa landy dia manatsara ihany koa ny fidiram-bolan’ny mponina. Ny tetik’asa dia tohanan’ny fondation Tany Meva izay iarahana miasa amin’ny Fikambanana Tafita izay ao anatin’ny tetikasan’ny CEPF.