FIANTSOANA TETIKASA FAMATSIAM-BOLA – TANY MEVA – TAONA 2021-2022

12 April 2021

Ny Fondation TANY MEVA, dia mamatsy vola tetikasa eny ifotony ho amin’ny fampandrosoana lovainjafy mifandraika amin’ny lohahevi-dehibe efatra voafaritra ao anatin’ny paikadiny fahaefatra.

Faritra telo ambin’ny folo (13) eto Madagasikara no voakasik’ity fiantsoana tetikasa ity. Izany dia misokatra ho an’ireo Vovonana/Federasion’ny Vondron’Olona Ifotony, Fikambanana, Kaoperativa, Ivon-toeram-pikarohana/fanofanana, Sehatra tsy miakina ka mijoro ara-dalana sy ara-panjakana.

Koa izay liana rehetra dia asaina haka ny andinindininy momba ity fiantsoana tetikasa ity ao anatin’ny tranokala https://www.tanymeva.org/nos-appel-a-projet/. Raha mila fanazavana fanampiny dia amporisihana handefa ny fanontaniany ao amin’ny adiresy mailaka appel@tanymeva.org.

Ny mpitondra tetikasa dia amporisihana  hanatitra an-tanana ny antotan-taratasiny araka ny voasoritra ao anatin’ny Rijantenin’Andraikitra ary atao anaty valopy mihidy amin’ny adiresy « Fondation Tany Meva Ambatobe, Lot I A I 1 bis – Ambatobe 103 Antananarivo » farafahatarany ny Alatsinainy 31 May 2021 amin’ny 11 ora atoandro.