Fitrandrahana ara-drariny ny harena voajanahary

6 April 2021

Ny mponina ao Anjiabe, tanana kely ivon’ny atialan’ny Bobaomby, Faritra DIANA dia mihary amin’ny alalan’ny famokarana ara-dalàna ny arina fandrehatra amin’ny alalan’ny hazo Mokonazy. Ny fandrindrana ny filàn’ny mponina miaraka amin’ny asa fitandroana dia nandrisika ny Fondation Tany Meva mba hamatsy vola io tetikasa izay notontosain’ny ONG MAVOA io. Io tetik’asa io dia mivoy ny fanaraha-maso ny harena voa-janahary mba ho fanondranana ara-drariny sy tompon’andraikitra amin’ny famokarana arina fandrehatra. Nisy ny fametrahana aro-afo, ny fisafoana ati-ala ary ny fampitaovana eo anivon’ny vondron’olona ifotony.