23 December 2020
Ny 21 desambra 2020 dia nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo ho an’ny taona 2020/2021 ny Fondation Tany Meva. Zana-kazo 30 000 eo ho eo no hovolena mandritra ity vanim-potoana ity. Namonjy ny toeram-pambolen-kazo ao Ankarabe/Manerinerina, kaomina ambanivohitra Tsaramasoandro, distrikan’Ankazobe ny ekipan’ny Tany Meva hanamarihana izany hetsika izany. Ny vondron’olona ifotonyy avy amin’ireo vohitra efatra manodidina dia entanina sy handray anjara ihany koa amin’ny famerenana ny ala ao an-toerana. Hifarana amin’ny tapany faharoa amin’ny volana febroary 2021 ity hetsika ity izay iarahana sy handraisan’ny manampahefana ao an-toerana sy ny mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanana ny Fondation Tany Meva anjara.