Makira
Ao amin’ny avaratra atsinanan’i Madagasikara no misy an’i Makira, mirefy 37470 ha eo ho eo ary misy mponina 90,000. Izy io no ala mando matevina indrindra izay mbola tsy voakitika eto Madagasikara. Makira dia ionenanan’ny karazan-gidro miisa 17, karazan-javamaniry 300 ka ny 50 amin’izany dia « palmiers »; izany dia manorina fialokalofana tsara indrindra ho an’ny karazam-biby marobe ao anatin’izany ny fosa sy ny voromahery.
Mampiavaka azy
Voarahona ny toeram-ponenena sy ny harena voajanahary ary koa ny fahafahan’ilay toerana mamokatra entona karibaona. Ny sehatry ny fandraharahana Karibaonaa (REDD+) dia nahafantarana fa ny karibaona ao aminy dia loharano’ny famatsiam-bola maharitra hoan’ity valan-javaboary ity.
Zava-bita
Nisy ny tetik’asa fampandrosoana momba ny fiaraha-monina, ao anatin’izany ny fananganana sekoly roa notokanana tamin’ny 2018 (Ambalamahogo sy Ankijanibe). Tany Meva koa dia nanohana ara-bola ny sehatra sy ny federasiona ny vondron’olona ifotony (COBA).
Mombamomba ny fandaharan’asa
Noho ny zava-boajanahary tsy manam-paharoa sy ny fitehirizam-piainana avo lenta, dia nosokajiana zaridaina voajanahary io tamin’ny taona 2012. Na eo aza ny toeran’ny fiarovana azo antoka dia mbola eo ambany fanerena (zahana, manapaka, manararaotra ny fitrandrahana ny hazo sy ny harena ankibon’ny tany, ny fihazana).
Ny tetikasa
Mandra-pahatongan’ny taona 2018, Fondation Tany Meva dia nahavita ny tahirim-bolan’ny vondron-karotram-piarahamonina Makira (FCCM) natsangana 50% ny vola azon’ny karbonina novokarina. Araka ny lazain’ny anarany dia ny FCCM dia natao ho fampandrosoana ny vondrom-piarahamonina mifanakaiky amin’i Makira.
Zava-bita
Notanterahina ny tetik’asa fampandrosoana momba ny fiaraha-monina, ao anatin’izany ny fananganana sekoly roa notokanana tamin’ny 2018 (Ambalamahogo sy Ankijanibe). Tany Meva koa dia nanohana ara-bola ny sehatra sy ny federasiona ny vondron’olona ifotony (COBA).
Fiaraha-miasa
Eo ambany fanaraha-mason’ny minisiteran’ny tontolo iainana, i Makira dia iaraha-miasa eo an-daniny, ny Wildlife Conservation Society (WCS), ny tompon’andraikitra mpitantana, ary koa ny fokonolona, ny mpitantana ny loharanom-baovao azo havaozina amin’ny faritra arovna.